1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra , tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]

2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na: hampifoha ny maraina aho]

3 Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah , Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.

5 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ; Ary aoka ho et? ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6 Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

7 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

8 Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;

9 Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.

10 Iza no hitondra ahy ho any an-tanna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

11 Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra , Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ?

12 Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

13 Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
